Ny 3/4 ny boky ao amin'ny Testamenta Vaovao dia epistily avokoa. Tena ilain'ny kristiana ny mahay mamaky epistily raha te hahay hamaky Baiboly kanefa dia andininy vitsivitsy ao anaty epistily ihany no haintsika tsianjery. Ho an'ny rehetra te hahay mamaky Baiboly. 0Ar et sans engagement!
Mbola ilaina ve ny lalàna nefa isika efa ao ambany fahasoavana? F'angaha azo foanana ny Tenin'Andriamanitra? Koa nahoana no misy lalàna voasoratra mazava tsara nefa toa tsy arahina?... Tsy tambo isaina ny fanontaniana mety hipetraka momba ity lalàna ity ka izay indrindra no hanasana anao hiara-mandinika @ alalan'ity fampianarana ity.
Ny firafitra sy ny fomba fampitana hafatra amin'ireo Tononkalo Hebreo dia hafa noho ny antsika Malagasy sy ny andrizareo tandrefana izay mahazatra antsika. Arak'izany dia ilainao ireto toromarika ireto hamakiana ireo tononkalo ao ao @ Baiboly: Salamo, Ohambolana, Tononkiran'i Solomona, sy andininy maro hafa).
Efa nahare toriteny momba azy ve ianao? Fandinihana Soratra Masina no atao amin'ity saingy azo antoka fa hahazo FAMPAHEREZANA ianao! Ho anao mpitarika - Ho anao mpampianatra Soratra Masina - Ho anao mpanofana - Ho anao mpanao mpianatra - Ho anao kristiana tsotra - Ho anao mpino mila fampaherezana